Ny radio Miara-manompo dia azo henoina amin'ny 103.00 Fm eto Antananarivo sy ny manodidina ary na aiza na aiza eran'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny onjam-peo interneto. Mandeha 24/7 izy io mba hifalian'ireo rehetra (lehilahy sy vehivavy) tia mihaino mozika evanjelika, fa koa (ary indrindra) toriteny sy fampaherezana.
